Taorian’ny fipoahana sy firehetan’ ny Transformateur de Puissance du Groupe numéro 1 (G1) n’ny toby famokarana herinaratra ao Andekaleka ny sabotsy alina teo izay niteraka tsy fahatomombanana lehibe teo amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo sy Antsirabe dia nanapa-kevitra ny jirama fa handefa transformateur de reserve an’ny JIRAMA TAC
Ambohimanambola izay manana tanjaka 32 MW ho fanamafisana sy fanohanana ny fitsinjarana sy famokaran-jiro ao Andekaleka. Vinavinaina ho vita rahampitso talata hariva ny fametrahana izany fitaovana izany koa inoana fa hizotra araka ny tokony ho izy amin’izay ny famokarana sy fitsinjarana herinanatra ao Andekalela. Tsiahivina moa fa naharitra ora iray teo noho eo iny fahatapahan-jiro tamin’ny sabotsy alina iny izay nahaenika faritra maro mihitsy toy ny Faritra Vakinankaratra, Analamanga…. Mikasika ny fiakaran’ny vidin-jiro izay mampitaraina ireo mpanjifa maro kosa dia nifanatona avy hatrany tamin’ireo mpanjifa voakasik’izany ny orinasa JIRAMA ary mboka manohy izany fifanatonana izany. Tanjon’ity orinasa ity moa ny hahafantaran’ny roa tonta sy hamaritana marina ilay fiakarana hahafahana mijery ny marimaritra iraisana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.