Nisehoana fipoahana narahina afo goavana ny toby famokarana herinaratra an’ny orinasa AKSAF Power, mamokatra 50Mgw,
mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny tambajotra mamatsy an’Antananarivo (RIA) omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy fahefany maraina. Ny fitoeran-tsolika lehibe mahazaka 150m3 no nipoaka tampoka. Nanomboka tamin’ny 11 ora tolakandro no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, izay nahitana ireo fiara vaventy famonoana afon’ny Seranam-piaramanidina Ivato (ASECNA) natokana ho amin’ny famonoana firehetana nateraky ny solika, ankoatra ny avy eny Tsaralalàna an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ora telo taty aoriana vao tena voafehy ny afo, raha tsy izay dia maizin-kitroka teto Antananarivo. Tsy hay aloha izay tena ao ambadik’iny toe-javatra iny na loza toy ny loza rehetra na hisy indray ny ambadika politika. Re mantsy fa misy mpanao politika hafa firehana amin’izao fitondrana izao manana asa atao amin’io toerana niharam-pahavoazana io, ny hazakazaka amin’ny fifaninana hahazo ny tsenan’asa amin’ny famatsiana herinaratra ihany koa etsy andaniny. Handeha moa ny fanadihadiana hamantarana ny tena marina. Namoizana ain’olona 2 sy naharatrana 6 hafa ity loza ity. Tsy mbola fantatra kosa ny tentim-bidin’ny fahapotehana. Marihina fa mpiasan'ny orinasa OTI (Ouvrages et Travaux Industriels), misahana ny resaka "soudure électrique" ireo tra-doza ireo. Fanindroany izao no nampisy loza namoizana ain’olona tao amin’ity orinasa OTI ity. Ny voalohany dia nandritra ny fanavaozana ny tetezan’i Betsiboka amin’ny lalam-pirenena faha-4. Nihotsaka tampoka ny “échafaudage” tamin’izay, dia ity omaly nitranga teny Ambohimanambola ity indray. Fanontaniana mipetraka kosa ny hoe manana fifanaraham-piaraha-miasa ara-dalàna (contrat) ve ireo mpiasa niasa tao ? Ahoana ny fiantohana tamin'iny tranga iny ?
Asa fampihorohoroana …
Orinasa Tiorka ny AKSAF Power. 24 ora taorian’ny nandraisan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka fitenenana toa naneho ankolaka fa tsy mila mpitsoa-ponenana no nisehoan’ity zava-doza ity. Mety misy hifandraisany sa fifanandrifian-javatra ihany ? Mitady hirika mafy amin’ny handefasana mpifindra monina aty ny Tiorka amin’izao ka tsy hay na fifanojoan-javatra fotsiny ihany iny loza iny na mifono zavatra hafa. Mampametra-panontaniana hoe : mety ho resaka asa fampihorohoroana ve ity toe-javatra ity ? Petra-kevitra hafa ny fisian’ny tandrametaka. Nisy ny asa tsy tena vita matoa mbola nanao sodira ny mpiasan’ny orinasa OTI, kanefa efa mihodina ity orinasa ity. Inona no andraikitry ny Ofisy Malagasy misahana ny akoran’afo (OMH) manoloana izany? Mety nisy politika maloto amin’ny hamehana hahazo vola haingana ve ka tsy nahoana ny resaka tandrametaka sy ny fiarovana ny mpiasa? Efa nandeha kely ny fiaraha-miasa tamin’io orinasa io, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Jirama Olivier Jaomiary, izany hoe efa namokatra herinaratra nanampy ny famokaran’ny jirama. Nampanantena kosa anefa ity tompon’andraikitra ity fa na miala aza izy ireo ary mijanona kely izy amin’izao, na ao anatin’ny andro vitsy, dia tsy midika kosa fa tsy ho ampy ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo, raha ny fanazavany. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fitsaboana sy fanampiana ny fianakaviana niharam-boina ny JIRAMA. Mety ho fomba fiady hialana bala amin’ny resaka olan’ny famatsiana herinaratra indray ve ity toe-javatra hafa vao niseho ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.