Fipoahana lavan’ny Jirama etsy sy eroa

Notolorana « transformateurs »


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

28 mitentina 5 miliara Ar

Nanolotra vata mpanova herinaratra miisa 28, mitentina 5 miliara ariary, izay fanomezana avy amin’ny mpandraharaha eto an-toerana ny Fitondram-panjakana. Natolotra ny sabotsy teo teny Antanetibe Ilafy. Nohazavain’ny Filoham-panjakana fa natao haingana ny fanaterana mba hamaliana avy hatrany ny fitarainan’ny vahoaka manoloana ny fahatapahan-jiro tanteraka. Nilaza izy fa miaina sy mizaka miaraka amin’ny Malagasy ny olana ateraky ny delestazy, ka nanentana ny tomponandraikitry ny JIRAMA hiroso amin’ny vahaolana haingana. Ny fahenoana foana fa nipoaka ny « transformateur » etsy sy eroa no nanolorana ny fitaovana mba hisorohana ny haizim-pito, ka nangataka antoka amin’ny Jirama ny tsy hisian’ny fipoahana intsony ny Fitondram-panjakana satria tena ezaka ara-bola be no natao. Tsy tokony hisy delestazy lavabe intsony, ny any Andekaleka efa ampy ny rano, ny fividianana groupe mandeha, etsaka ny ezaka. Mety misy ny delestazy, mbola hiasana ny famenoana ny vokatra sy hahafeno azy, fa ny fahatapatapahana tampoka isan’andro no nanolorana ireo fitaovana, raha ny fanazavana. Nisy ihany koa ny fitaovana hametrahana panneaux solaires hamokarana 35MW hatao eny Ivato avy amin’ny tsy miankina, izay tsy novidiana fa tena fa nomena an-tsitrapo, ary mbola hifampiresaka ny Fanjakana sy ny mpandraharaha nanolotra azy amin’ireo zavatra mbola tsy ampy, raha ny fanazavana. Nangataka tamin’ny Minisitry ny rano hanome ny « devis » mikasika ny fanavaozana ireo fantson-drano ihany koa ny moa ny Filoham-panjakana. Misy fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena, hoy izy, fa raha misy zavatra maika azo atao mandra-piandry ny fifanaovan-tsonia dia atao, mba ho hitan’ny vahoaka, mba tsy hieritreretan’ny vahoaka fa tsy miraharaha ny Fanjakana. Etsy an-kilany, nanamafy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo fa tsy maintsy mihetsika haingana ny JIRAMA, ka nanontany mazava hoe inona no asa azo tanterahina avy hatrany sy inona no dingana tokony hirosoana. Andaniny, nilaza i Ron Weiss, tale jeneralin’ny JIRAMA, fa efa vonona ny drafitra fanarenana ny tambajotra sy ny famatsiana rano. Andrasana ny fivoarana sy ny vokatra…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT