Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Tandindonin-doza, mila manatsara paikady i Madagasikara…


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Fiovaovan’ny toetr’andro : ny zava-misy sy ny fanamby ho an’i Madagasikara », io no lohahevitry ny loa-bary an-dasy nokarakarain’ny Sekoly Ambony momba ny Zo sy ny Siansa Politika na ESD tetsy Nanisana omaly talata 14 martsa.

Ity kaonferansa ity dia mifandraika amin’ireo lalam-piofanana omena ireo mpianatra eto anivon’ny Oniversite, hoy Atoa Franck Randrianasolo filoha mpanorina ny ESD. Voakasik’ity lohahevitra ity ihany koa ireo mpiantsehatra ara-tontolo iainana na ny tantsaha mpamboly, na ny mpitondra, na ireo manam-pahaizana ara- tontolo iainana ary indrindra ny vahoaka Malagasy. “Tandindomin-doza ny olombelona, ny biby ary ny zava-boahary, ny hafanan’ny tany amin’izao fotoana izao dia mahatratra 1,1°C”, hoy Rtoa Mamy Nirina Randrianarivelo Météorologue any Paris niditra tamin’ny “visio-conférence”. Nanipika kosa i Dr Zo Aina Andriamampianina Talen’ny ESD fa tokony hisy fitovian-jo ao amin’ny firenena maneran-tany manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo firenen-dehibe matanjaka no manana indostria manimba ny tontolo iainana kanefa miantraika aty amintsika. Nisy ny fifanarahana momba ny onitra ara-tontolo iainana, toy ny tany Paris tamin’ny 2015 fa tsy ampy izany, hoy izy. Mila fahaiza- mitantana ara-toetr’andro amin’ny fampihenana ny « effet de serre », fa eo koa ny tokony hananan’ny firenena tsirairay politika nasionaly entina miaro ny tontolo iainana sy iadiana amin’nyfiovaovan’ny toetr’andro, hoy izy. “Tsy ampy ny lahatsoratra sy ny vaovao ary ny fandaharana miresaka momba ny fiovaovan’ny toetr’andro eto; ary tsy ampy ny fanaraha-maso sy ny asa firotsahana atao amin’ izany…”, hoy kosa Atoa Bernard Conchon Mpanao gazety vahiny, isan’ny nanorina ny Studio SIFAKA an’ny Firenena Mikambana. Miantraika amin’ny toekarena ny fiovaovan’ny toetr’andro ka isan’ny naneho Rtoa MIZABETY Lucienne, tantsaha mpamboly kafe, filohan’ny Kaoperativa Kafé Arabika Ampefy Itasy (KKAAI), fa mila rano io voly io kanefa tsy ampy ny orana, lasa misy aretina sy potehin’ny bibikely, hany ka mihena ny vokatra kafe Arabica any Itasy. Mifandraika amin’ny kolontsaina ihany koa anefa, toy ny tao-trano fahiny tsy dia misy “cheminée”, ny mbola fampiasana kitay sy arina fandrehitra izay manimba ala, kanefa mbola miantraika ara-pahasalamana ihany koa,… raha ny nambaran’I Fetra Ramamonjy Linguiste sady consultant fahiny tao amin’ny PNUD.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT