Miovaova ary nivadibadika be ny toetr’andro ao Toliara efa ho herinandro izao. Vokatry ny ny rivotra avy any atsimo mitondra vovoka manempotra arahina erika manify sy hatsiaka mamirifiry
, nefa amin’ny antoandro migaingaina be ny masoandro ary midina be tampoka indray ny maripana rehefa tolakandro, dia maro amin’ireo ankizy sy ny efa nahazoazo taona na ny olon-tsotra somary marefo ara-pahasalamana no tsy mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka mirongatra amin’izao fotoana izao ny kohaka sy sery, gripa ary fanaviana sy aretin-kibo vokatry ny loto. Betsaka amin’ireo lasibatra no mamonjy tobim-pahasalamana, kanefa zara raha manana enti-manana hitsaboan-tena ny ankamaroan’izy ireo, raha ny angom-baovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.