Misy fiantraikany goavana amin’ny voka-bary eto amintsika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Lohalaharana amin’izany ny rotsak’orana, ny fisian’ireo karazan’atsanga izay manimba ny vary, ny fotaka…
Ny faritra Alaotra Mangoro izay azo lazaina ho sompitr’i Madagasikara no tena voakasik’izany amin’ny ankapobeny. Nisy ny atrikasa nitadiavam-bahaolana mikasika izany nanomboka omaly, hetsika tanterahina etsy amin’ny Colbert Antaninarenina. Ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ministera misahana ny famantarana ny toetr’andro no tompon’antoka amin’izany, nanasan’izy ireo manokana ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro Mandiamanana Richard. Nambaran’ity farany moa fa tena hery lehibe ho azy tokoa ny fisian’izao hetsika izao izay nambarany fa ho tombontsoan’ny besinimaro fa tsy ho an’ny faritra iadidiany irery ihany. Vahaolana efa hita sahady moa omaly ny fanomezana masomboly ny faritra mifanaraka amin’izay toetr’andro misy hahafahan’ny mpamboly mamokatra araka ny tokony ho izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.