Mora tohina amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo kazarana zavamanan’aina hita aty amin’ny faritra Afrika tapany atsimo. Manoloana io tandindon-doza manambana ny firenena maneran-tany io dia ilaina hamafisina ny fiarovana ny tontolo iainana
Fitaovana mahomby amin’izany ny fanatevenana ny fambolen-kazo sy ny fampitomboana ny faritra maitso. Nionona fotsiny tamin’ny fanentanana ny mponina tsy handripaka ala sy ny fiarovana maharitra ny hetsika hatreto. Takiana kosa ankehitriny ny tsy maintsy hananan’ny firenena tsirairay fandaharanasa mikasika manokana ny sehatry ny ala, ny momba ny tontolo maitso ary koa ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. An-dalana amin’ny fandinihana izany ireo mpiantsehatra rehetra voakasika eto Madagasikara ankehitriny, toy ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc. Nanombohana ny hetsika ny atrikasa nanangonana ireo antontan-kevitra milaza ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Manampy ireo minisitera teknika 3 ahitana ny Tontolo iainana, ny Fiompiana ary ny Fambolena sy ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra moa ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena ary ny fiompiana. Tanjona ny hanamora ny fiaraha-miasa sy famolavolana programa iombonan’ireo firenena 6 mpikambana eto amin’ny faritra Afrika tapany atsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.