FIONDRANANA MANKANY IVELANY

Voarara ny mitondra vola mihoatra ny 1000 Euros


  • Zoma 07 Jona 2024

Nogiazana ny ampahana volana vahiny ana tera-tany Malagasy iray saika hiondrana any Sina nahatrarana vola vahiny 108.200 Euros.

Afak’omaly Talata folakandro no nahatraran’ny alika mpitsongo dia avy ao amin’ny bridage canine ao amin’ny Fadin-tseranana azy io. Tsiahivina fa raha araka ny lalàna dia 1 000 euros ihany no vola azon’ny mpandeha entina mivoaka ny sisintany. Raha mihoatra ny 1 000 euros ka hatramin’ny 10 000 euros izany vola izany dia tokony hitondra fanamarinana ary hanao fanambarana eo anivon’ny Fadintseranana ilay mpandeha. Voarara tanteraka ny mitondra lela-vola mihoatra ny 10 000 euros noho izany. Tokony ny orinasa tompon’antoka no manao ny famindrana lelavola ambony any amin’ny firenen-kafa ka anisan’ireny ohatra ny banky. Nogejain’ny Fadintseranana moa ny vola mitentina 107. 200 euros, ary naverina tamin'ilay mpandeha ny 1000 euro tokony hoentiny. Pati
Legende : Ireo lelavola Euros tratra nentina mpandeha iray !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT