Fiondranana an-tsokosoko

Somalianina 15 sarona tany Analalava


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Tera-tany Somaliana 15 mianaka no tratran’ny zandary tao Ambodimanga, Fokontany Marovato Sud,

Kaominina ambanivohitr’i Maromandia, distrikan’Analalava ny alin’ny 16 Oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina raha nikasa hiondrana an-tsokosoko. Najanon’ny fiara izy ireo, raha ny loharanom-baovao azo ka nanohy ny diany mankany antafian’ny Agnalagnabe mba hiandry sambo haingam-pandeha haka azy.Nidina avy hatrany ny Zandary rehefa nahazo vaovao momba azy ireo ka tratra teo am-piomankomanana ny hiainga izy 15 mianaka. Fantatra fa tsy miteny gasy izy ireo, antony nahafantarana fa tera-tany Somaliana izy ireo no sady tsy misy manana pasipaoro koa na iray aza. Zaza amam-behivavy ny ankamaroany.Nentin’ ny Zandary natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny borigadin’i Maromandia moa izy ireo ka mbola tavela ao hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny vaovao.

Nangonin’i Pati
Legende: Ireto izy 15 mianaka tera-tany Somaliana saika hiondrana an-tsokosoko any ivelany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT