Actualités

Fiondranana an-tsokosoko ivelan’Antananarivo Taxi-brousse 5 sy fiara madinika 3 no tratran’ny polisy


  • Zoma 08 Mey 2020

Manoloana ny fiparitahan'ilay valan'aretina covid19 dia hentitra ny avy ao amin'ny polisim-pirenena amin'ny fampiharana ny lalana ary mitohy ny ezaka

 

fampanarahan-dalana ny olom-pirenena. Taxi-brousse miisa 05 sy fiara madinika miisa 03 indray no tra-tehaky ny polisy tetsy amin'ny fasan'ny Karana sy Iavoloha ny alarobia sy omaly alakamisy raha saika hiondrana an-tsokosoko hivoaka ny renivohitra. Tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana hiala ny faritr’ Analamanga moa ireto fiara ireo ka voatery nogiazana sy nandraisana fepetra avokoa. Olona miisa 14 no voasaringotra tamin'izany ka mpamily sy ny mpanampy azy miampy ireo mpanera no nentina teny amin'ny paositry ny polisy nanaovana fanadihadiana. Mpamily iray sy ny mpanampy azy kosa no mbola saika hanao kolikoly amin'ireo polisy nanakana azy ka nanaovana famotorana manokana mihitsy . Hentitra moa ny Ministry ny filaminam-bahoaka manolona ny trangana kolikoly tahaka izao satria tafiditra indrindra ao amin'ny vina napetrany raha iny izy handray ny Minisitera iny ny fiadiana amin'ny kolikoly izay anisan'ny manaratsy ny asan'ny polisim-pirenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT