Tena sakana amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy manely vaovao ny fampiharana ny lalŕna 2014-006 iadiana amin’ny «cybercriminalité» eto Madagasikara, indrindra ny andininy faha-20, hoy ny fikambanamben’ny fiaraha-monim-pirenena. Mazava tsara mantsy ny voalazan’ireo andininy roa faha-10 sy faha-11 ao anatin’ny Lalŕmpanorenan’ny Repoblika fahaefatra mikasika ny fahalalahana miteny izay milaza fa «ny fahalalahana mampita vaovao amin’ny endriny samihafa dia zo» izay mandrara ireo karazana sivana
Tsy tokony hanana ahiahy amin’ny fanehoan-kevitra izay hataony ny olom-pirenena izay manan-jo hanao izany, araka ny voasoratra ao amin’ny andininy faha-19n’ny Fanambarana iombonana momba ireo zon’olombelona izay nosoniavin’i Madagasikara na koa ny andininy faha-9n’ny Fifanarahana afrikana momba ireo zon’olombelona sy ireo mponina sy faha-19n’ny Sonia iraisam-pirenena mikasika ireo zon’ny olom-pirenena sy ny ara-politika. Nitondra fanovana goavana tokoa ny fampiasana ireo hairaha vaovao momba ny vaovao sy ny serasera saingy tsy mampiova ireo zo fototra manamafy ny fisian’ny demokrasia, ny mangarahara, ny andraikitra amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, ny fahaleovantenan’ny olona sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena izany. Fanamafisana sy fanomezam-bahana ireo manam-pahefana sy ireo mpitondra fanjakana hipetraka ambonin’ny lalàna fotsiny ihany ity lalàna momba ny «cybercriminalité», hoy ny Fiombonanben’ny fiaraha-monim-pirenena ka takian’izy ireo ihany koa ny hanafoanana ny andininy faha-20.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.