Fantatra fa tsy ho afa-bela intsony amin’ny rivodoza ny faritra Boeny, ary araka ny fanadihadiana nataon’ny BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes) nanomboka ny taona 1993-2005 dia nitombo avo roa heny ny herin’ny rivodoza tao anatin’izay fe-potoana izay....
Noho izany dia nanatanteraka atrikasa ity birao ity, namolavolana ny paikady hanarenana haingana ny fahavoazana aorian’ny fianjadian’ny rivodoza mahery vaika amin’ny ho avy, tao amin’ny Les Roches Rouges Mahajanga ny 03 sy 04 Jolay 2014. Hanaovana fanandramana amin’io paik’ady io ny faritra Boeny, Atsinanana ary Sofia. Ny tanjona dia ny hahafahana mampita ny tatitra marina any amin’ny mpitondra fanjakana ambony ao anatin’ny fotoana fohy aorian’ny fitrangan’ny loza voajanahary, hahafahan’ireo mamaritra mazava ny fanampiana hangatahana any ivelany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.