Tena miharatsy andro aman’alina ny fiainana eny anivon’ny fiaraha-monina eny .
Lasa kizintina sy lavitry ny fifandeferana ny olona vokatry ny hasarotan’ny fiainana hany ka lasa manaotao foana. Tsy misy hafa amin’izay ny zava-nitranga teny Fenoarivo Atsimondrano teny ny Alahady 15 Oktobra. Vehivavy manodidina ny 23 taona eo ho eo, Renim-pianakaviana niteraka iray no fantatra fa novelesin’ilay Ramatoa iray nifanena taminy tamin’ny bois rond ny lohany raha voadonan’itsy voalohany tampoka ny finday teny an-tanan’ity farany. Naratra mafy io Renim-pianakaviana kely io vokatr’izany. Ilay finday anefa teo an-daniny, finday tsotra na foza hoy ireo nanatri-maso fa tsy mba irony finday lafo vidy irony no sady tsy nisy simba ihany koa. Nentina namonjy dokotera haingana teo amin’ny manodidina moa ilay Renim-pianakaviana naratra izay fantatra fa nidonam-pahoriana ihany koa vokatry ny namoizany tampoka an-janany, tamin’io Alahady io ihany, zaza izay fantatra fa efa narary.
Pati
Legende Naratra mafy tahaka izao ilay Renim-pianakaviana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.