Actualités

Fimpima Sampana Rabearivelo Notafian-damba 1 taona taty aoriana


  • Zoma 25 Jolay 2014

Herintaona taty aorian’ny nivoahan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy ho mpikabary dia anisan’ireo notafian-damba tamin’ity volana ity ny avy amin’ny Andia Razafimahefa Alphonse izay nisy an-dRtoa Razakasoa Vero

Noho ny tsy naha teto an-toerana azy tamin’izany fotoana izany anefa dia tao  anatin’ny zaikabe faha-3-n’ny Fimpima tontosaina etsy amin’ny Falda Antanimena, ny talata teo, no nampisalorana azy an’izany lamba fitafian’ny Fimpima izany. Milaza ny ho tena mpikabary ny hetsika « tafian-damba » miaraka amin’ny fianianana, hoy Rtoa Razakasoa Vero, ary afaka mirotsaka amin’ny fanatanterahana kabary samihafa afa-tsy ny kabary politika. Ho fanandratana ny teny Malagasy no tena nandrisika ahy hianatra kabary, hoy izy, izaho rahateo somary badabada am-pitenenana dia mba te hiteny ampahibemaso tsy miahotrahotra momba ny zavatra iadidiana. Mbola hanohy ny fianarana kabary aho ary efa ao anatin’ny sampana Takalo (fianarana fanalamana vava herintaona indray) ankehitriny, ary mbola hanohy amin’ny sampana mpandalina koa aorian’izay. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa amin’ny sabotsy izao eny Antsahamanitra no hanambarana ofisialy ny vokatry ny fifidianana filohan’ny Fimpima nasionaly vaovao amin’ny taom-piasana manaraka sy ny vokatry ny fifidianana filohan’ny Fimpima faritra hotanterahina anio zoma 25 jolay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT