Actualités

FIM 2023 Hampiseho ny tsara rehetra eto Madagasikara


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Ho tanterahana eny amin’ny Parc des expositions Tanjombato ny FIM na «Foire Internationale de Madagascar» andiany faha 17 ny 11 hatramin’ny 14 mey 2023.

Mpitantana vaovao indray ankehitriny no mitondra ny hetsika rehetra nokarakarain’ny 1Ere ligne teo aloha dia ny Hazovato Forello Expo, hoy ny fanazavan’ny mpandrindra ankapoben’ny hetsika, Harilala Ramanantsoa, tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina, omaly. Ho apetraka ho laharam-pahamehana amin’ity ny tomponandraikitra miaro ny tontolo iainana na « Eco-responsabilité ». Hiompana amin’izay maha tomponandraikitra mikolokolo ny tontolo iainana izay, noho izany, ny fanentanana ireo mpandray anjara rehetra. Fantatra fa sehatra iray natao ahafahan’ireo mpandraharaha miserasera ary mampahafantatra ny vokatra na tolotra misy eo aminy ny FIM. Omena sehatra matihanina, noho izany, izy ireo. Ho asiana ny fanampiana azy ireo mba havitrika sy tsara fandraisana ireo mpitsidika azy ireo. Ho atao koa ny fomba hametrahana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpandraharaha hahatsara petraka ny tolotra sy tinady na « espace B to B » izay ho hatsaraina. Hisy sehatra ahafahan’ireo mpandray anjara na mpiara-miombon’antoka mampahafantatra ny vokatra ihany koa mandritry ny hetsika. Hiezaka izahay hametraka ny maha varotra iraisampirenena ny hetsika. Maro ny mpandraharaha malagasy te hisehatra amin’ny iraisampirenena nefa tsy mahita lalana. Misy sehatra natokana ho azy ireny ao. Hahazo tombony daholo na mpandraharaha madinika na salantsalany na lehibe no tanjona. Hampiseho ny tsara rehetra eto Madagasikara ny FIM 2023, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende : Ry zareo mpikarakara vaovao ny FIM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT