Filohan’ny SADC hiatrika ny fivoriamben’ny ONU

Hitondra ny feon’i Afrika hono, serasera tsy arahim-bokatra …


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no hitarika ny delegasionina Malagasy

any amin’ny fivoriana faha-80 an’ny Firenena Mikambana any New York ny 22-27 septambra izao. Mialoha ny fivoriana, dia nanao fihaonana fanomanana tao Antananarivo ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Fiadidiana ny Repoblika, ary ny Firenena Mikambana, mba hampifanaraka ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity fivoriana lehibe ity. Ity fivoriana faha-80 ity dia mitondra ny lohahevitra hoe: “Miaraka tsara kokoa: 80 taona sy mihoatra ho an’ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana ary ny zon’olombelona.”Manomboka seraseraina fa mitondra ny anaran’i Madagasikara sy ny SADC, mitondra ny feon’i Afrika. Milaza ny Fanjakana fa efa mametraka mialoha sahady ireo teboka manan-danja i Madagasikara amin’ny laharam-pahamehany ara-paritra, anisan’izany: Ny indostria mirindra sy mandray anjara rehetra, Ny fiovàna amin’ny angovo maitso sy maharitra, Ny fiarovana an-dranomasina sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, Ny fisorohana ny fifandirana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplomatika. Kabary no hatao, sary no havoaka, fanambarana no ho heno : fa moa tena mifandraika amin’izany ve ny zava-misy raha tarafina amin’i Madagasikara tantanan’i Andry Rajoelina. Inona marina no vokatra ho an’ny vahoaka Malagasy na amin’ny maha Filoha azy na ny efa fanipazana sahady fa amin’ny maha Filohan’ny SADC mitondra ny feon’i Afrika? Hatramin’izay, fandraisana anjara iraisam-pirenena dia nanjary endrika fitsangatsanganana diplomatika, fa tsy fandraisana andraikitra mivaingana, ka resaka no ilaina sa asa ? Ny raharaha Iles Éparses, ohatra, dia efa naverimberina hatramin’ny taona 2019. Nisy kabary mafana, nisy kaomisionina iraisana, nisy fanambarana feno firehetam-po, fa moa mba vitan’ny Fitondrana no nampiditra izany tao anaty lahadiniky ny Fivoriamben’ny ONU ? Asa indray amin’ity fa tokony ho tafiditra hiverina an-databatra izany ? Saingy tsy nisy fifanarahana mazava, tsy nisy fandrosoana ara-diplomatika, ary tsy nisy tombontsoa voazara ho an’ny Malagasy amin’ireo harena an-kibon’ny tany. Ny vahoaka dia mbola mijery an’ireo nosy amin’ny sarintany, fa tsy amin’ny politika mivaingana. Tsy azo hamaivanina ny fandraisana anjara iraisam-pirenena, saingy raha tsy misy vokatra azo tsapain-tanana, dia mivadika ho fisehosehoana politika. Tsy mila sary hoseraseraina na kabary hitadiavana tehaka intsony, fa fampandrosoana tena izy, fanovana rafitra, ary fahavononana hanavotra ny firenena fa tsy hanavotra endrika politika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT