Filoha RandrianirinaMichael

“Homena lanja ny manam-pahaizantsika, antsoina


  • Zoma 31 Oktobra 2025

ho avy ireo mpampiasa vola”

Miditra amin’ny fanavaozana isika izao, ary raha nanomboka nitolona ianareo tanora dia tsy nitolona fe nitolona fa nitolona mba hisian’ny fiovana eto amin’ny Firenena efa potika ity, hoy ny Filoham-panjakana Michael Randrianirina raha niatrika ny famoahana ireo mpianatra miisa an’arivony mahery avy amin’ny Sekoly ambony tsy miankina iray. Nanaitra ahy anakam-po, hoy ny Filoha, ny naheno ny sa hoe 1640 ireo mpianatra vita fianarana nivoaka, fa ho aiza daholo izany ireo no hiasa? Nomarihiny fa ny Firenena potika, ny olona mba nitondra vola sy nampiasa vola nenjehina, gadraina satria mifaninana amin’ny namana sasany. Mitsoaka daholo izao ny mpitondra vola avy any ivelany, ka amin’izao dia mijery ny Fitondram-panjakana sy I Madagasikara hoe ahoana ny Fitondrana vaovao ireto? Ho afaka hiasa any izahay sa matahotra? “Tadidio fa tsy ny Fanjakana no mamorona asa! Anisan’ny fahadisoana nentin’ny sasany izay! Mieritreritra izy fa ny Fanjakana no mamorona asa dia lasa mamorona orinasa kely etsy! Tsy mbola nahita isika hoe: “Etat Entrepreneur”, ka nandroso ny Firenena nanao izany ny mpitondra », hoy hatrany ny Filoha Randrianirina Michael. Noho izany, tsy maintsy manambitamby ireo mpitondra sy mpampiasa vola avy any ivelany mba hitombo ny orinasa, mora kokoa ho an’ny tanora ny mahita asa. Nandritra ny fianianany ny 17 oktobra no efa nilazany tamin’ireo masoivoho vahiny, fa vonona hametraka tontolo milamina hananan’ireo mpamatsy vola sy mpampiasa vola antoka ny Fanjakana. Notsoriny, fa tena misy ny “fuite de cerveau”, miala eto Madagasikara daholo ireo heverina fa manam-pahaizana, ka tsy mahagaga raha milentika ny Firenena. Ny ezaka tokony hataon’ny Malagasy dia mitazona an’ireo tanora, izay heverina fa hoavin’ny Firenena rahampitso. Nanome toky ny tenany fa hiezaka hametraka ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ho isan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny Fanjakana, izay tsy vita vetivety, saingy tsy maintsy miezaka. Miantso ny rehetra tsy hanaiky hokiviana, toy ny hoe mbola misy ny delestazy, mbola misy ny kolikoly,… satria efa tena miasa ny Fanjakana, hoy izy. Notsipihiny ny fanomezana fitokisana an’ireo manam-pahaizana Malagasy vokatry ny tany, ka ny governemanta dia saika manana diplaoma ambony azo teto Madagasikara avokoa, vao nisy nandrato fianarana tany ivelany izay safidiny. Te hanome sehatra izay nianatra sy nivoaka teto Madagasikara ny Fanjakana, hoy ny Filoha, araka ilay tenin’ilay tenin’I Nelson Mandela fa fianarana no entina miady amin’ny fahantrana. Miezaka mametraka « forages » eny Vontovorona, Ankatso,… Miezaka mametraka panneau solaire 1Mega isaky ny oniversite 7 eto Madagasikara, asa efa mandeha hampisehoana fa mijery ny tanora, hoy hatrany ny Filoham-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT