Actualités

Filoha Rajaonarimampianina « Tsy mivarotra tany amin’ny vahiny izahay »


  • Zoma 15 Septambra 2017

Sesilany ny kiana mahazo ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ny resaka fivarotana tanindrazana amin’ny vahiny.

Tsy nivarotra tany tamin’ny vahiny izany ny fanjakana, hoy kosa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fanehoan-kevitra nataony omaly tamin’ny fanokafana ny Foara Iraisam-pirenena momba ny fambolena teny Forello Tanjombato. Nolazainy koa fa hohamoraina ny fahazoan’ny tantsaha tany mba hampiroboroboana ny fambolena. Nasiany teny ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ireo lalàna isan-karazany momba izany, indrindra ny politikan’ny fananan-tany, izay nohatsaraina hatramin’ny taona 2015. Maro ny mankasitraka ny fanehoan-kevitra ary tehaka mirefodrefodrefotra no azon’ny filoha. Ny mampalahelo, dia ny mifanohitra amin’izay no tena iainan’ny Malagasy. Ny eo am-pelatanany aza bodoina. Tsy fitia te hanakiana fa tsy tambo isaina ny fibodoana tany ataon’ny vahiny eto amintsika, raha tsy hilaza afa tsy ny any Moramanga. Tany 130 ha, efa nivelomana hatramin ny taona 1966 ary vita « reconnaissance » tamin’ny 2006 no nahavitan’ny vazaha baorina teny ambony latabatra. Misy ny firaisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra ambony sy manampahefana matoa tanteraka. Ny toe-javatra tahaka ireny no ilana ny fijoroan’ny filoha sy ny fanjakana tarihiny, mba hanehoany fiarovana ny Malagasy. Toa tsy mba misoka-bava manoloana ireny anefa ny tenany. Miandry izay tena fandraisana andraikitra ataon’ny Filoha ny rehetra.


Toky R 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT