Filoha mivoaka lava any ivelany

Any Dubai indray, tsy tara mihitsy na tsy mamokatra aza !


  • Talata 11 Febroary 2025

Rehefa avy nisidina tany Afrika ny herinandro teo, ary tratry ny adihevitra sy tsikera mivaivay

teo anatrehan’ny filazana fa hanampy ara-pitsaboana an’i RD Congo noho ny ady any an-toerana, dia lasa any amin’ny Arabo indray ny Filoha Malagasy. Handray anjara fanindroany amin'ny Fihaonambe Iraisam-pirenen’ireo goverenemanta na « World Governments Summit » any Dubai, manomboka anio 11 hatramin'ny 13 febroary 2025 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, araka ny seraseram-panjakana. Fihaonana izay ahitana ireo filoham-panjakana, manampahaizana sy mpanapa-kevitra malaza, ary ny avy amin’ny sehatra stratejika samihafa, hiadian-kevitra mikasika ny olana iraisam-pirenena toy ny fiharetana amin’ireo toe-javatra mianjady, fahasalamana eran-tany, ary fiaraha-miasa ara-toekarena. Ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin'ity fihaonambe ity dia manamarika ny finiavana hametraka ny toerany manoloana ny andraikitra eo anatrehan’ny zava-misy iraisam-pirenena. Ankoatra ny adihevitra avo lenta, io dia mety ho fotoana lehibe hanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy ny Emirà Arabo Mitambatra, hoy ny seraseram-panjakana. Mety hisy ihany koa ny fanokafana làlana ho an'ny fiaraha-miasa vaovao amin'ny sehatra manan-danja toy ny fampiasam-bola, ny fotodrafitrasa, ary ny fandrosoana ara-teknolojia, hoy hatrany ny Fanjakana. Voalaza fa hizara traikefa momba ny haitarika i Andry Rajoelina anio ka asa hoe : haitarika nitondra ny Firenena nankaiza ? Voalaza fa hizara traikefa sy vina momba sy fizahantany ka asa hoe : manana traikefa amin’izany ve ? Tsy tara mihitsy rehefa misy fihaonana goavana tahaka izao kanefa ny serasera an-tsary no tena betsaka fa ny tena tombotsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny Firenena tsy hita taratra firy. Tsapa ho manao pimaso mafy amin’ny Arabo ka tena tombotsoam-pirenena sa bizina avo lentan’ny manam-pahefana ? Na izany aza ny tetikasa Tanamasoandro hatramin’ny 2018 dia nolazaina fa hataon’ny Al-Jabber fa tsy hita izay vokany. Ny FlyOver toa efa nandalo fandaniana hatrany amin’ny Antenimierampirenena, kanefa tsy hita ihany hoe : tsy namoaka vola ve ny BADEA izay Banky Arabo ? Isan’ny nolazaina fa hiara-hiasa amin’ny tontolon’ny angovo ny Arabo saingy tsy hitan’ny karatra,… Ny sidina Dubai-Antananarivo mivantana aloha no misongadina, saingy ho an’ny tombotsoan’ny Malagasy sa ho an’ny vahiny sy ny mpitondra ? Ny mpandraharaha mpanefoefo arabo aloha no mihaodihaody any Nosy Be saingy miezaka mandiso ny Fanjakana tsy misy tany namidy taminy. Fa misy homena ampiasainy ? Asa hamafisina ihany koa ve ny hoe : ny arabo no hamatsy vola ny ozinina fanadiovana volamena ? Inona no tambiny raha ho raikitra ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT