Nanatrika ny fanompoam-pivavahana fametrahana
ara-pombam-piangonana ny Filoha FJKM sy ireo Mpiandraikitra Foibe FJKM voafidy, teny amin'ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao omaly19 oktobra 2025 ny Filohan'ny fananavaozana ny Repoblika, Kolonely Michaël Randrianirina. Nandritra izany no nilazany fa efa nijoro hatrany ho an'ny vahoaka malagasy ny FJKM, koa mangataka anareo mbola hijoro, hitsangana arak'izay asa napetrak'i Jesosy amintsika izay dia ho mpaminanin'ny firenena, hoy izy. Naneho moa ny tenany fa olon'Andriamanitra, olon'ny Fiangonana, ka nilaza niantso ireo Raiamandreny am-panahy hijoro tsy hisorona ho arofanina sy mpanitsy raha misy ny tokony hahitsy na mivaona. « Raha sanatria re solafaka dia teneno aho Raiamandreny ! Teneno izahay ireo hoe : tsy mety ny ataonareo, manazava izahay raha azo hazavaina. Raha tsy azo hazavaina dia fahadisoana no dikan'izay ka ovaina ny fomba famindra. Jesosy izay mitarika antsika rehetra no "balise" misakana antsika tsy hanaonao foana. Jesosy no tokony atahorantsika », hoy ny Filoham-panjakana Kolonely Michaël Randrianirina. Nitsodrano ireo mpiandraikitra Foibe FJKM moa ny Filoham-panjakana, ary nangataka ny Fiangonana izy hijoro sy hitsangana lalandava ho an'ny Firenena. Nanamafy ihany koa izy ny amin'ny mba tsy hisalasalan'ireo Raiamandreny hanoro lalana sy hanitsy azy ireo raha sendra misy ny tsy mety. Ankoatra io moa, Tnidina ifotony teny amin'ny toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola ny Filoham-panjakana ny sabotsy teo, fitsidihana voalohany nataony taorian’ny fianinanany. Tao anatin'izany no nijerena akaiky, niaraka tamin’ireo solontenan’ny tanora ny olana fototra mahakasika ny famokarana herinaratra. Betsaka ny olana hita nandritry ny fitsidihana, misy ireo afaka vahana ao anatin'ny fohy ezaka, ao ihany koa ireo mila fotoana, fa ho ezahina jerena ny ahafahana mamaha izany, hoy ny tatitra avy amin’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika tarihin’ny Filoham-panjakana Kolonely Michaël Randrianirina. Betsaka ny asa sy adidy miandry ny fitondrana ankehitriny indrindra eo anatrehan’ny krizy misy, ny mety ho olana ara-bola, ny mbola adihevitra politika samihafa, ny ambana politika mety mbola mandindona,… Tsy afaka miandriandry noho izany ny Fanjakana fa tena mila miasa haingana, mametraka fototra hivoahan’ny Firenena, mamaha olana,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.