Raha voasakana tsy nandeha tamin’ny TVM,
dia navadika ho endrika mivantana na « direct » tao amin’ny pejiny sy tao amin’ny pejin’ny Fiadidian’ny Repoblika ny resaka nataon’i Andry Rajoelina omaly efa tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Ampahany tamin’io ny nilazany fa nisy andiana miaramila vitsivitsy atosiky ny minisitra vitsivitsy hifofo ny ainy, nambara fa misy mikasa hanafika Iavoloha, ka voatery nitady toerana hiereny. Nilaza fa nametraka « processus fifamelana », efa nanasonia famelan-keloka avy amin’ny Filoham-pirenena, hitohy amin’ny fonja manerana an’i Madagasikara ho an’ireo mahatsapa fa nogadraina tsy ara-drariny. Mila mifamela sy manova fomba fiasa. Tsy ny fanehoan-kevitra no olana fa ny voka-dratsy ataon’ireo mpanararaotra, hoy hatrany i Andry Rajoelina izay miezaka manenjika ireo tsy mitovy fijery azy ho mijapy ny fitakian’ny tanora. Miezaka mandoto ny hafa hatrany, fa tsy mba miaiky ho tompon’andraikitr’izao krizy mitranga izao. Mba hisian’ny fitoniana, hoy Rajoelina, dia efa navela malalaka ny mpanao fihetsiketsehana, fa tsy tokony hokorontanina ny fiainam-bahoaka, tokony hajaina ny safidin’ny hafa, misy manohana, misy manohatra,… Ho tonga amin’izao ve raha mba nanana fanetren-tena sy nihaino i Rajoelina hatrany amin’ny 2023 ? Efa milentika ny sambo, efa avy nandatsa-dra, nampiady ny « forces », namono olona maro,… vao hoe : mila mifamela ? Nitanisa ireo lazaina fa tetikasa hamahana ny delestazy, milina hafena fiaramanidina,… Nanome toromarika amin’ny tompon’andraikitra ny hanafoanana ny « couvre-feu » fa hiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tena mbola misy mandray baiko amin-dRajoelina ve ? Ny sendikan’ny mpiasan’ny tahirimbolam-panjakana nandray fepetra hifehezana ny fikasana hanao tantely afa-drakotra ny vola ka ny tambin-karama sy fisotroan-dronono ihany no havoaka mandra-piverin’ny toe-draharaha amin’ny laoniny, ny adminisitera sivily tsy mandray baiko amin’ny Minisitra efa nesorina intsony fa amin’ny sekretera jeneraly, … Ny Sendikan’ny Inspecteurs d’Etats na SIAM nanao fanambarana sy handray fepetra hiaro ny volam-panjakana, fananam-panjakana,… eo anatrehan’ny fitadiavan’ireo manam-pahefana hanararaotra ny zava-misy ka mikasa hanao fanodinkodinana,… Ny Lapam-panjakana dia efa niaka-dapa teny Iavoloha ny avy amin’ny Etamazaoron’ny tafika omaly, nijery sy nanara-maso ireo fananana teny Iavoloha. Teo ny fanisana ireo fitaovana toy ny fiara, moto sns...teny an-tokontany mba hisorohana ny fandrobana. Nandeha tam-pirahalahina ny fijerena izany teo aminy tompon'andraikitry ny Lapa sy ireo iraka manokana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.