Diso izany! Ny havany aza nisaotra ny Fitondram-panjakana »
Nitondra fanazavana omaly ny Minisitry ny Fitsarana raha nanontanian’ny mpanao momba ny raharaha Rinah Rakotomanga izay nezahina nanaovana serasera tamin’ny tambajotran-tserasera tato ho ato. Nambarany fa tao amin’ny Fonjan’Antanimora i Rinah Rakotomanga no nafindra tany Manjakandriana. Io fonja io izay vao notokanana tamin’ity taona ity, anisan’ny fonja manara-penitra indrindra eto Madagasikara, mbola tsy feno, ary mbola malalaka, ara-dalàna tanteraka ny fitazonana voafonja ao. Noho ny aretina izay mitaiza azy dia misy faharariana izy ka nangataka hivoaka ny fonja hitsabo tena. « Mitsinjo ny fahasalamana sy ny maha olona ny voafonja sy ny fianankaviany ny Fitsarana, ka navoaka nitsabo tena tao Befelatanana izy, ary efa naverina any amin’ny fonjan’i Manjakandriana », hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Nambarany fa mbola nangataka hanohy fizaham-pahasalamana hafa ka nomena satria tsy misakana mihitsy ny fitsaboan-tenan’ny olona voafonja ny Fitsarana ary zony izany, na voafonja aza izy dia manan-jo hotsaboina, indrindra raha mila « spécialiste ». Raha ohatra ka vitan’ny ao amin’ny fonja dia ao ihany, fa raha tsy vita dia mijery « spécialiste », hoy hatrany ny fanazavana. Nanamafy moa ity Minisitra ity fa tsy niandry ela akory fa tamin’ny fotoana izay nangatahan’ny fianankaviany fahafahana mitsabo tena dia nanome alalana avy hatrany ny fitsarana. « Diso araka izany ny filazana izay henonareo hoe tsy nahazo notsaboina izy na izao sy izao izy fa na ny fianankaviany aza dia nanome fisaorana ny fitondram-panjakana sy ny Fitsarana ary ny mpandraharahan’ny fonja nahafahany nitsabo tena, ary efa niverina soa aman-tsara tany izy », hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Asa na fifandrifian-javatra na tena izay hoe : tao anatin’ny fotoana hihavian’ny iraky ny SADC sy ny fahatongavany eto no nanaovana serasera mafy sy nivoizana an’io resaka hoe fampijaliana na famonoana an’i Rinah Rakotomanga io mba hanaovana pi-maso amin’ny sehatra iraisam-pirenena hoe : tsy manaja zon’ombelona ny Fitondrana, manao habibiana amin’ny mpanohitra,… Tsy mamoha fotamandry fa moa mba nananan’ny fitondrana Rajoelina hantra sy navela nitsabo tena ara-dalàna sy napetraka tamin’ny fonja milamina ve Itompokovavy Ninie Doniah ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.