Actualités

Filankevitry ny minisitry ny SADC Nodinihana ny fihaonana an-tampony sy ny fanarenana toekarena


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Nandray anjara tamin` ny filankevitry ny minisitry ny SADC tamin` ny alalan` ny “visioconference” i Madagasikara ny 13 aogositra lasa teo.

 

 

Isan` ireo teboka nodinihana dia ny fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-39 eo anivon` ny SADC sy ny fanarenana tsy maintsy atao vokatry ny aretina Covid 19. Mahakasika ny teboka voalohany dia hijery manokana ny fampivoarana indostrialy mahomby sy maharitra, ny varotra eo anivon` ny faritra sy ny famoronana asa. Manampy izany ny fanamafisana sy ny fametrahana ny filaminana, ny fitantanana ary ny fanomanana ny tetiandro aorian` ny taona 2020 eo anivon` ny SADC. Notsindrina manokana ihany koa ny lavitr` ezaka amin`ny taona 2050 hahafahan` ny rehetra migoka ny voka-tsoa ara-toekarena ary ny rariny sy ny fahafahana. Hahafahana manatratra izany dia ho hatsaraina ny sehatry ny indostria, ny tsenam-barotra, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fampiofanana ireo mpisehatra rehetra. Marihana fa ity no filankevitry ny minisitry ny SADC handaminana ny fivoriana ara-potoanan` ireo filoham-pirenena sy ireo governemantan` ny SADC izay atao ny 17 aogositra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT