Raharaha nafampana tamin’ity herinandro ity ny mahakasika ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Vonjy Andriamanga, izay efa somary ratsiratsy fifandraisana amin’ny mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama.
Nisy mihitsy ny karazana ampamoaka nataon’Atoa Rabetsara Lita momba ny fitantanana tsy milamina, toy ny fisiana fatiantoka 1200 miliara ariary, fividianana fiara no mahamaika, famindrana toerana mpiasa tsy ara-drariny, fanabontsinana faktiora,… Tsy nampihontsona ny sezan’ny Tale jeneraly anefa ireny. Re rahateo fa nisy ny fampiantsoana ny Tale Jeneraly sy PCA na ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana tany an-dapa nandaminana ny raharaha. Midika io, fa misy iraka manokana ampanaovina ity minisitra teo aloha navadika ho Tale Jeneralin’ny Jirama ity. Nisy kosa ireo tompon’andraikitra ambony tamina minisitera hafa nesorina, dia ny Talem-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny asa-tànana ao Sava, ny Tale misahana ny “Dévéloppement de la Stratégie et du Partenariat pour le Dévéloppement Durable” ho an’ny minisiteran’ny tontolo iainana, ary Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina eto Analamanga ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.