Actualités

Filankevitra monisipaly Antsirabe : Niravona ny disadisa


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaha politika ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra taorian’ny nisiana andian’olona mitonona ho iraka avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ary nampiasa taratasin’ny Faritra, mampiantso maika ny Ben’ny tanànan’Antsirabe Olga Ramalason, ho (tsy maintsy) tonga ao amin’ny biraon’ny Faritra ny talata 26 janoary 2010, fa hoe : misy raharaha ilana azy maika.

 

Nampisahotaka ny tao Antsirabe ny raharaha, satria ny manampahefana rehetra tao an-toerana dia samy nilaza ho tsy nahalala sy tsy nahafantatra ny fisian’izany iraka na fampiantsoana izany. Tetika ankolaka, mifono fakana an-keriny ny Ben’ny tanàna no nandraisan’ny maro azy ity. Tsy nipetra-potsiny fa nametraka fitoriana fiandry teny amin’ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsirabe ny Ben’ny tanàna manoloana izany. Fa tetsy an-kilan’izay, dia namoaka fanambarana niraisana ireo mpanolotsain’ny tanàna tao Antsirabe, ny alarobia 27 janoary 2007. Fanambarana nalefan’izy ireo ho an’ny Minisitry ny Fanapariaham-pahefana. Tamin’izany no nilazan’ireo mpanolotsain’ny tanàna, miisa 15 izay miara-manao sonia ny fanambarana, fa “tsy misy intsony ny disadisa eo amin’ny samy mpanolotsaina fa miray hina tanteraka. Efa niravona ihany koa ny tsy fitoviam-pijery nisy tamn’ny mpanolotsaina sasany sy ny ben’ny tanàna ary ny birao mpanatanteraka rehefa natao ny fanazavana rehetra tao anaty mangarahara. noho izany”, hoy ny fanambarana dia “manamafy ireo mpanolotsaina, fa vonona hiara-hiasa ho amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Antsirabe”. Misy ifandraisany amin’ilay fampiantsoana ny Ben’ny tanàna nitranga ny 26 janoary ve ity taratasy nataon’ny mpanolotsaina ity sa sasanangy samy hafa mihitsy ? Ho hita eo ihany ny fivoarany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT