Mpitsara miisa 59 avy amin’ireo sampam-pitsarana miisa 6 dia Ambatondrazaka miisa 9 – Moramanga miisa 8 – Vatomadry miisa 4 – Maroantsetra miisa 4 – Toamasina I miisa 21 ary ny fitsarana ambony ao Toamasina miisa 13, no mpifidy ny solontenan’ny mpitsara ao Toamasina eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) Malagasy.
Ny alarobia tamin’ny 11ora sy 40 mn no natomboka ny fanisam-bato izay natao tao amin’ny efitra faharoa. Niisa roa ny kandida nifaninana dia Atoa Lauret Rajaona Thierry mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny mpifaninana taminy Tombozavelo Philistin mpitsara eo anivon’ny “president des chambres” ny fitsarana ambony. Tamin’ny fanisana ireo vato ny mpifidy 59 dia lany tamin’ny vato 33 Atoa Lauret Rajaona Thierry, nahazo vato 25 kosa ny mpifaninana taminy, raha nisy mpitsara iray nanao vato fotsy. “Amin’ny maha mpikamban’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ahy izay misolotena an’i Toamasina, dia ny fiarovana ny mpitsara sy ny asam-pitsarana no tanjona, satria tsy hisy firenena hilamina raha tsy misy fitsarana matanjaka sy atokisan’ny olona ary mpitsara malalaka amin’ny asany”, hoy Atoa Lauret Rajaona Thierry.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.