Filankevitra ambonin’ny mpitsara

Nivory farany mialohan’ny fifamindram-pahefana


  • Talata 05 Desambra 2023

Nanatanteraka fivoriana ny tao amin'ny Biraony tetsy Tsaralalana ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara na CSM

Conseil Supérieur de la Magistrature) omaly 04 desambra. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Filoha Lefitry ny CSM. Fivoriana farany ho an'ny CSM amin'ity taona ity sady famaranana ny fotoam-piasan'ireto Mpikambana ireto no tanterahana, ka sady nisaotra azy ireo tamin'ny asa vita ny Minisitry ny Fitsarana no nitondra sosokevitra amin'ireo zava-dehibe tokony mbola handraisana fanapahan-kevitra mandritra ity fivoriana farany ity. Anio 5 desambra 2023 mantsy no hanaovana ny famindram-pahefana amin'ireo Mpikambana vaovao handrafitra ny CSM, amin'ny fotoam-piasana manaraka. Tsara no mampahatsiahy fa ny Filohan’ny Repoblika izay voafidy no Filoha farantampon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT