Hotanterahina rahampitso zoma 18 jolay ny fifidianana ireo solontena roan’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. Manana hatramin’ny anio amin’ny fiafaran’ny tolakandro ireo te hirotsaka ho kandida hametrahany ny dosieny eo anivon’ny fitraketan’ny CSM Tsaralalana
Tamin’ny 28 aprily 2014 no efa saika hanatontosana ity fifidianana ity saingy nofoanana indray noho ny voalaza fa tsy nahavitana ny fampilazana iray volana mialoha. Izao izany vao ho raikitra. Araka ny voafaritra ao amin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 dia 9 ny mpikambana mandrafitra ny HCC, miasa mandritra ny fito taona tsy azo havaozina. Ny filohan’ny Repoblika no manendry ny telo amin’izy ireo, solontenan’ny CSM ny roa, manana solontena roa avy ihany koa ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Hatreto, mbola ireo solontena telo tendren’ny filohan’ny Repoblika no tontosa tamin’ny febroary 2014.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.