Ho fantatra anio ireo solontena roa avy amin’ny mpitsara ho mpikambana handrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana, araka ny voafaritry ny Lalŕna fototra sy ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Fitsarana nivoaka tamin’ny jolay 2014 lasa teo
. Anio zoma 18 jolay tontolo andro tokoa mantsy no handatsa-bato sy hifidy ireo mpikambana vaovao hisolotena azy ireo ao amin’ny HCC ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara. Fepetra vitsivitsy takiana amin’ireo kandida hirotsaka maherin’ny 50, araka ny didy hitsivolana laharana 2001-003 tamin’ny novambra 2001 mamaritra ny lalàna fehizoro mifehy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ohatra, ny fahaizana lalàna sy ny fananana traikefa amin’ny fitsarana raharaham-pitondrana. Taorian’ireo mpikambana telo vaovao notendren’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery tamin’ny volana aprily 2014 izany dia hifidy ireo solontena miisa roan’izy ireo ao amin’ny HCC ihany koa ireo mpitsara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.