FILAN-KEVITRA NASIONALIN'NY VEHIVAVY

Mitaky ny hampananan-kery ilay « Protocole de Maputo »


  • Zoma 19 Septambra 2025

Efa 23 taona izao no nanaovan'i Madagasikara sonia ilay

Protocole de Maputo izay nisy fifanaraham-piara-miasa iraisam-pirenena saingy tsy mbola misy vokany hatreto hoy ny Filan-kevitra nasionalin'ny vehivavy eto Madagasikara na ny CNFM. Tsy mbola nisy mihitsy ny fampananan-kery azy io izay tokony hiainga eny anivon'ny parlemantera. Nanatanteraka atrikasa goavana tetsy amin'ny Ivo Hotel Ambohidahy omaly Alakamisy 18 Septambra ny CNFM. Niarahana tamin'ny mpanao gazety, ireo manam-pahaizana manokana amin'ny fampitan-kafatra ary ireo mpitarika isan-tsokajiny izany. Tanjona tamin'ny atrikasa hoy Randriamasy Estelle, filohan'ny CNFM ny mba hahafahana mandrafitra ny paikady ho fampitan-kafatra amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny hahafahana mampanan-kery ity protocole de Maputo ity. Efa isika rahateo no mpitantana eo anivon'ny SADC hoy izy. Izay paikady hitan'izy ireo fa tsara hahafahana mampita hafatra moa dia hotanterahiny avy hatrany mba hahatrarana ny tanjona.
Pati
Légende : Randriamasy Estelle, Filoha nasionalin'ny CNFM !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT