Amin’izao 10 andro mialoha ny fankalazana ny faha-55 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena Malagasy izao, dia mampitombo ny fidinana ifotony amin’ny fanamafisana ny fihodidinana isaky ny fokontany sy ny elakela-trano ary famenoana ireo kihon-dalana samy hafa na andro na alina ny polisim-pirenena.
Natao izany, araka ny fanazavana nataon’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys sy ny ekipany ahitana ny UIR (Unite d’Intervention Rapide) sy SUT (Sureté Urbaine Toamasina), hitandroana ny filaminam-bahoaka mba samy hifety ara-dalàna ny Malagasy rehetra. Eo koa ny firongatry ny asan-jiolahy mitam-basy mandrava magazay sy mpivarotra, ary hifehezana ihany koa ireo jiolahy mpanao sinto-mahery sy mpanendaka izay nahazo vahana tao ho ao izay ary ataon’ireo tanora vao herotrerony. Vokatra io hetsika manokana io dia maromaro ny vokatra azon’izy ireo, toy ny fahatrarana toaka voarara tao amin’ny “pont-mainty” amin’ny ranon’ny “pangalanes” mifatra 650 litatra ka olona iray no nitondra azy. Teo koa ireto mpangalatra “panneau solaire” miisa roa misanda 1.200.000 ariary ny iray tao Ambalakisoa ZES izay nahatrarana olona roa. Nisy mpamaky trano iray koa tratra teo am-pihanihana tambohon’olona tao amin’ny “Cité Immobilière” Tanambao V niaraka tamin’ny ny “pince” be famakiana trano ary mpanendaka tamin’ny lalana lycée teknika izay tena mampitaraina ireo tratra alina, ka iray tratra izay mbola niaraka tamin’ny antsy fandrahonany sy famonoany olona, ny namany kosa afa-nandositra noho ny haizina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.