Actualités

FILALAOVANA FINDAY Ny tovovavy no tena mora variana


  • Talata 05 Novambra 2024

Ny tovovavy no tena mora variana amin’ny filalaovana finday eto amintsika, indrindra fa ny fikirakirana ny

tambajotran-tserasera Facebook raha oharina amin’ny tovolahy. Miteraka olana goavana eo amin’ny fiainam-pianakaviana anefa izany indrindra fa ny fifandraisan’ny Reny sy ny zanaka vavy. Lasa tsy manam-potoana hifampizarana sy hifampiresahana intsony ireto farany raha tena tokony ho mpinamana sy tsy hifanafinafina fa samy variana amin’ny filalaovana finday. Tsy vitsy ireo tovovavy lasa manaotao foana vokatr’izany. Antom-pisian’ny Groupe Fy etsy Marais Masay izany izay manana tanjona hanamafy ny fifandraisana am-pon’ny Reny sy ny zanaka mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy hiarovana ireto farany tsy hanaotao foana. Mitohy araka izany ny famondronana ireo tovovavy sy ny Reniny ao anatin’ny vondrona izay manomboka eo amin’ny 18 taona ka hatramin’ny 55 taona. Na dia tsy mitsaha-miroborobo aza mantsy ny teknolojia dia tsy tokony hatao ho vato misakana tsy hahafahan’ny mpianakavy mifankatia sy mifaneho fitiavana izany, indrindra fa ny hamono ilay kolontsaina Malagasy mifanakalo hevitra sy mitafatafa eo am-pisakafoanana…
Pati
Legende : Samy maka ho azy tahaka izao ny ankizivavy sy ny zazavavy kely rehefa milalao finday na solosaina ao an-trano ao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT