FILALAOVANA FINDAY

Mampihemotra ny fahaizan'ny mpianatra maro


  • Alarobia 14 Janoary 2026

Miditra ao anatin'ny roa volana fahatelo

isika ankehitriny ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa ary lisea. Tsy vitsy ireo sekoly nanao jery todikakely mikasika ny fahaizan'ny mpianatra ao aminy noho izany hatramin'ny niantombohan'ny taom-pianarana 2025-2026 no mankaty. Nivoitra tamin'izany fa betsaka ireo sakana tsy mampifantoka tanteraka ny mpianatra amin'ny fianarany. Lohalaharana amin'ireny ny filalaovana finday indrindra fa ho an'ireo efa lehibebe. Olana hafa ihany koa ny fisaraham-panambadian'ny Ray aman-dReny izay mampisavoritaka ny sain'ny mpianatra maro. Ohatra iray noraisin'ny talen-tsekoly iray fa raha misy mpianatra 40 isa ao anatin'ny lakilasy iray dia manana olana eo amin'ny fifandraisan'ny Ray aman-dReniny avokoa ny 30 isa. Misy ireo mipetraka amin'ny Raikely. Misy ny mipetraka amin'ny Renikely. Misy ireo kamboty raha tsy lazaina intsony ireo mivezivezy amin'ireo Ray aman-dReniny noho ny fisarahan-toeran'ireto farany. Betsaka ireo sekoly niresaka mivantana tamin'ny Ray aman-dReny noho izany hahafahana mamaha ny olana. Tsiahivina moa fa saika nanatanteraka varavarana misokatra avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny faran'ny herinandro teo.
Pati
Légende : Ny finday no anisan'ny fototra manimba ny ankamaroan'ny mpianatra ankehitriny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT