FILALAOVANA

FINDAY-FIJERENA TELE


  • Alakamisy 13 Aogositra 2026

Tsy tokony hihoatra ny 2ora isan'andro ho an'ny ankizy

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vakansy lehibe isika ankehitriny. Samy manao izay ho afany hialana voly sy handaniana andro ny kilonga madinika indrindra fa ireo tsy mañana fahafahana ny handeha hanao vakansy kely any ambanivohitra na any amin'ny faritra. Tsy vitsy noho izany ireo variana tanteraka amin'ny filalaovana finday. Toraka izany koa ny fijerena vata fahitalavitra tsy miato ankoatra ny fanaovana jeux any amin'ny efitrano voatokana ho amin'izany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny dokotera mpitsabo maso iray dia tsy tokony hihoatra ny ora 2 isan'andro ny filalaovan'ny ankizy iray finday sy ny fijerena vata fahitalavitra. Mety hiteraka olana goavana amin'ny fahitany mantsy izany, indrindra fa rehefa mianatra ka anisan'ireny ny fanaovana solomaso na ny fitomboan'ny degré an'izany ho an'ireo izay efa manao. Mety hanana olana amin'ny resaka fitadidiana ihany koa ilay mpianatra. Nomarihin'ity dokotera ity moa fa mihabetsaka ireo ankizy marary maso amin'izao vokatry ny filalaovana finday. Raha misy olona 5 tonga manatona azy ireo isan'andro dia ankizy sy tanora avokoa ny 3. Mety sy tsara araka izany hoy izy raha variana amin'ny filalaovana kilalao hafa ny ankizy amin'izao vakansy lehibe izao fa tsy finday. Anisan'izany ny fiarahana amin'ny ankizy namany ao an-tanana fa arahi-maso fotsiny, ny filalaovana bisikileta, ny fanaovana kivarivary...Ho an'ireo efa manao solomaso moa dia tsy maintsy entina hanao contrôle izy ireny mialohan'ny hiatombohan'ny taom-pianarana hahafahana manara-maso ny fahasalamany.
Pati
Légende : Mbola betsaka ireo ankizy manenjika salle de jeux tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT