Tamin’ny volana aprily sy mey 2025, nisy tranga nahafaty olona telo tao amin’ny
sambo fanjonoana an’i Franck Paque, mpandraharaha avy any Saint-Martin Boulogne. Voamarina fa "botulisme" no nahazo azy ireo, taorian’ny fihinanana sakafo simba, hoy ny Vaovaon'ny La voix du Nord. Nilaza i Franck Paque, izay efa niasa teto Madagasikara nandritra ny 30 taona, fa tsy mbola nisy tranga mampalahelo tahaka izao hatrizay: “Tena kivy tanteraka aho. Hatramin’izay niasako teto, tsy mbola nisy loza toy izao.”, hoy izy. Tranga mahatsiravina izay heverina fa nanamarika ny fiandohan’ny krizy ara-pahasalamana tsy voazava eto Madagasikara. Ny 14 jona, nitranga ny loza tao Ambohimalaza, tafakatra 32 ny namoy ny ainy. Nolazaina fa fanapoizinana sy famosaviana no antony, tsy nisy fanazavana ara-tsiantifika mazava. Andro vitsy taorian’izay, nipoitra ny tranga tao Ambositra, nahafaty olona 19. Ny 24 jolay, vao nisy fanambarana ofisialy nataon’ny Minisitry ny Fahasalamana niaraka Zely Randriamanantany tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hoe : botulisme no nahazo ireo tao Ambositra, araka ny fitiliana natao tany Paris. Ny tao Mahajanga sy Toliara kosa dia négatif ny valiny, hoy io Minisitra io. Ny tany Mahajanga izay marihina fa olona 3 izao no maty, tany Toliara 1. Efa volana vitsivitsy no nisy tranga sy olona maty, ka ny tao Ambositra efa iray volana katroka vao nolazaina fa «botulisme ». Tsy nisy fanentanana ara-pahasalamana mazava, tsy nisy toromarika momba ny fiarovana amin’ny botulisme, na fanazavana momba ny fepetra tokony horaisina,... Misy ahiahy lalina fa niniana nafenina ny fisian’ny botulisme, mba hanomezana endrika milamina amin’ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto Madagasikara, indrindra amin’ny fampisehoana amin’ny Firenena ao amin’ny SADC. Ny fahanginana sy fanilihana ny fanambarana ara-pahasalamana dia mety ho paikady ara-politika hananan'ny vahiny antoka fa tsy ahiana ny mety ho fahapoizinana ara-pahasalamana. Na izany aza, misy olon-tsotra nandefa taratasy misokatra ho an'ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC manoloana ny ambana ara-pahasalamana noho ny fahapoizinana miparitaka kanefa tsy nisy fangaharana avy amin'ny Fanjakana. Efa fomba fiasa mihitsy ilay mamono afo, manarin-tena,... izay isan'ny porofo nivaingana ny nanamaivanan'ny Governoran'Amoron'i Mania Razafitsoatra Lucien fa tsaho sy Photoshop ny filazana fahafatesan'olona an-jatony vokatry ny tazomoka tao Ikongo. Ny fahitala-pirenena TVM mihitsy no nampiasaina nitenenana izany, kanefa andaniny dia olona an-jatony no efa maty, tsy noraharahiana, namaivanina,... Efa tabataba sy fampanenoana lakolosy maro vao hoe nandefa iraka, mandefa mpitsabo,... izay tara satria governora mpandainga sy mpiaro seza aloha no ninoana. Izany no fa fitantanana manara-penitra? Hamaivanina ny fahasalamam-bahoaka sy ny ain'olona noho ny fitiavam-boninahitra sy fahefana, izay toa itovian'ny volomboasary miainga any ambany hatrany an-tampony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.