FIL MAMPANDEHA NY « ÉCLAIRAGE PUBLIC »

Tariby an’ny Jirama 500m nisy nangalatra tao Ambodivondava


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

ny éclairage public manazava ny lalana avy eo Ambodivondava mihazo an'i Miadana no nisy nangalatra afak’omaly Alatsinainy alina tao Alasora. Ahiana ho ireo mpiasa temporaire an'ny Jirama izay voaroaka vao haingana no nahavanon-doza satria tena matihanina tanteraka ny olona nahavita izany. Vao tamin'ny 30 May lasa teo no nisy nangalatra toy izao ny fil éclairage public teny Mahatsinjo dia izao lasibatra izao sahady ny eny Miadana. Nisy ny fitoriana napetraky ny kaominina teo anivon'ny mpitandron'ny filaminana ary efa misokatra arak'izany ny fanadihadihana. Ho hamafisina arak'izany ny andrimasom-pokonolona manerana ny tanana hahafahana manatratra ireo mpanao ratsy.
Pati
Legende : Lasibatra hatrany ny fil mitondra ny herinaratry ny JIRAMA ao Alasora ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT