Actualités

Fikorontanan’ny tambazotram-pifandraisana Mby aiza ireo fanadihadiana parlemantera?


  • Talata 22 Aogositra 2023

Tsy vao sambany fa efa saika matetika isika eto Madagasikara no lasibatry ny fikorontanan’ny tambazotram-pifandraisana

na resaka fifandraisan-davitra io na tambazotran-tserasera. Nipoitra indray izany omaly ary nandritry ny ora maro mihitsy. Maro ireo orinasa voatery nanena ny asany noho izay tsy fahatomombanan’ny teknolojia izay. Misy ireo voatery nanenjika sy nihazakazaka ka azo antoka fa tsy hahajery loatra ny lafiny kalitao intsony. Aiza ho aiza ihany ny fanadihadian’ireo vaomiera misahana ireto mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra na “opérateur téléphonique” eto amintsika ireto eo anivon’ny antenimieram-pirenena? Im-piry nikaikaika amin’ny afitsok’izy ireo moa ny mpanjifa malagasy? Efa mba nisy ihany ve ny fepetra noraisina sy fanadihadiana lalina natao mikasika ny filazan’ireo mpanjifa sasany fa tena misy karazana halatra amin’ny fomba mihaja mihitsy ataon’izy ireo ao anatin’izany rehetra izany?
TSY AZO IHODIVIRANA NY TEKNOLOJIA SY NY NOMERIKA
Etsy ankilany, maika ny fampivoarana miainga amin’ny teknolojia sy ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madagasikara amin’izao andro ankehitriny izao ary tsy azo ihodivirana izany. Ankoatra ny fampianarana mifototra amin’I Madagasikara, ny fitsinjarana ara-bola, dia vina lehibe fahatelon’ny vovonana politika Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT sy ny antoko politika Tia tanindrazana ny “Madagasikara nomerika”, vina izay efa voavolavola sy nodinihina lalina nanomboka ny taona 2010, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT