Actualités

Fikojakojana ny lalam-pirenena faha-4 Tsy mbola tontosa ny ampahany eny Talatamaty


  • Talata 23 Septambra 2014

Andrasana ny fanamboarana ny ampahan-dalana mandalo eny amin’ny faritr’i Bel’Air Talatamaty avy amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy izay tafiditra ao anatin’ny lalam-pirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, hoy ny ben’ny tanàna Razafindratsimba Rado

. Mijanona amin’ny asa sahanin’ny mpitantana ny tanànan’i Talatamaty. Miezaka ny manatanteraka ny fanamboarana ireo lalana mampitohy ireo fokontany mandrafitra ny kaominina ambanivohitra miaraka amin’ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa efa misy fampiasan’ny mponina amin’ny fifamezivezen’ny manodidina ihany koa ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy. Fantatra fa fokontany 5 ao amin’ny kaominina Talatamaty no hahazo tombontsoa amin’ny fanorenana toerana fanasan-damba sy trano fivoahana avy amin’ny «Agence Française de Développement» andiany faha-2 izay hanomboka amin’ny volana febroary 2015, araka ny fanampim-panazavana azo. Hihazo an’i Nosy Be Hellville ny 2 hatramin’ny 7 oktobra hifampizara traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo mpitantana fokontany any an-toerana kosa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany 12 ao amin’ity kaominina ity izay mikarakara sakafo arahin-korana fitadiavam-bola ny 28 septambra izao ao amin’ny Espace Nambinintsoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

Hijery ny tohiny
FTT