FIKOJAKOJANA MILINA-TETIKASA ODOF

Hampitoviana avokoa, hitadiavana lalam-barotra ny tantsaha


  • Talata 09 Jolay 2024

Ho ampitoviana avokoa ny fikojakojana na ny entretien an' ireo milina ao anatin'ny tetikasa ODOF

manerana ireo distrika eto amin'ny Nosy. Izany dia mba ahafahana mitazona ny kalitaon'ny vokatra vokariny , eo ihany koa ny mba ahafahany miodina amin'ny antsakany sy andavany. Hiara-kiasa amin'ireo mpandraharaha amin'ny fanatanterahana izany fikojakojana izany ny orinasa US OKES avy atsy Afrika Atsimo. Orinasa izay efa manana traikefa eo amin'ny resaka fikirakirana sy fikojakojana milina mpanodina vokatra. Ankoatra izay, hanampy ireo mpandraharaha amin'ny fitadiavana lalam-barotra ihany koa ity orinasa ity araky ny voafaritra ao anatin'ny fifanarahana natao teo amin'izy ireo sy ny ministeran'ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ireo mpandraharaha omaly tetsy Anosy. Etsy ankilan'izay, manana ny anjara andraikiny ihany koa ireo mpandraharaha nahazo ny fitantanana ny milina ODOF. Nanaiky izy ireo fa hanaja ny fenitra takiana amin'ny vokatra vokarina, hiara-hiasa mivantana ihany koa amin'ireo tantsaha amin'ny fampiasana ny vokatra vokarin'izy ireo ary indrindra ny fakana ny fahazoan-dalana mivarotra ny vokatra. Fifanaovan-tsonia roa sosona araka izany no notanterahina. Ny fifanaraham-piaraha-miasa lasitra voalohany dia teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Orinasa afrika tatsimo Us Okes Pty Ltd. Ny faharoa kosa dia nanaiky koa ireo mpandraharaha sy kaoperativa 17 mitantana ny orinasa ODOF fa hanaja ny fenitra ara-kalitao, handray ireo akora fototra avy amin’ny kaoperativa ary hangataka ny fahazoan-dalana ahafahany mivarotra ny vokatra. Natao izany rehetra izany hahalasa ny indostria ODOF ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, hamorona asa ary hanome lanja ireo otrikarena isam-paritra. Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia fikojana ny milina ODOF omaly tetsy Anosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT