Manomboka miverina indray tato anatin’ny herinandro mahery izao ny fikitikitihana na fanafosafoana vehivavy
ao anaty taxibe, hataon’ireo lehilahy sasany raha araka ny fitarainana voarain’ny zandarimariam-pirenena. Ireo vehivavy manao akanjo na zipo fohy no tena lasibatr’izany, izay modian’ireo lehilahy sasany fanina ka halatsany moramora eo ambony fehy ny tanany. Misy indray ireo mody mikisina tampoka sy mafy ery indrindra rehefa mahazo irony seza afovoany irony no sady manararaotra ny tanany mandehandeha. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia misy amin’ireny karazan’olona ireny no tena mihajabe tokoa ary tena tsy menatra. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona Renim-pianakaviana iray dia nisy lehilahy nahasahy nisintona ny zipony mihitsy aza raha iny izy nitsangana iny ka saika niboridana ny anaovavy. Soa ihany moa hoy izy fa niaraka tamim-badiko aho ka ity farany no nifamaly tamin’ilay lehilahy teo. Tsiahivina moa fa henjehin’ny lalana ny fanaovana fihetsika mamoafady amina vehivavy ao anaty taxibe tahaka izao na inona na inona endrika hisehoany. Pati
Sary fanehoana : Mitaingina taxibe no hatao fa tsy mikitika na manafosafo fem-behivavy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.