Tsy nampihemotra ny fitokonan’ny mpiasan’ny Air Madagascar ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hanao « réquisition » ireo mpiasa amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana mba hiverina hiasa omaly. Farafahakeliny dia sidina sivy no tokony ho natao omaly kanefa na ny soridalan’ny sidina aza dia tsy nisy nanao akory.
Nitohy ny fitokonan’ny mpiasa ary hita ho vonona ny tsy hiverin-dalana intsony raha ny fahitana azy ireo omaly. Etsy an-kilany, mandeha ihany koa ny fifandaminana na « médiation » izay tarihin’ny inspection de travail na ny sampana mpanara-maso ny fananan’asa. Anisan ‘ny nametraka ny kaompania Air Madagascar tamin’ny toerana sarotra nandritra ny fifandaminana anefa ny fandroahana ireo mpiasa tsy nandalo filankevi-pifehezana sy ny tsy fananan’ireo mpiasa sasany Cnaps na fanamarinana fandoavan-ketra ihany koa kanefa tsy nahazo fampandrenesana avy tamin’ny mpampiasa. Manoloana izany rehetra izany anefa dia mitaraina mafy ireo mpandeha izay mihitsoka eny Ivato izay tsy misy vola hatao sakafo intsony no sady tsy misy fiantohana trano hatoriana nanomboka ny alatsinainy teo. Omaly dia tonga teny amin’ny biraon’ny Air Madagascar teny Analakely ireo mpandeha ireo nitaky ny fanonerana ny saran-dalan’izy ireo. Tsy vitsy ihany koa ny mieritreritra ny hitory ny Air Madagascar eny anivon’ny fitsarana. Ho an’ireo mpizahatany izay mikasa ny ho any Ste Marie mandritra ny “festival des baleines” indray dia efa am-polony maro ireo mpandeha andrasana avy any ivelany no nanafoana ny famandrihan-toerany. Andrasana anio indray izay mety ho vokatry ny fifandaminana na hiverina hiasa amin’izay ireo mpiasa na hanaiky hametra-pialana ireo mpitantana efa mangidy hoditra eo imason’ny mpiasa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.