Fikasana hivarotra «bois de rose»

> Mampiaka-peo ny injeniera momba ny tontolo iainana


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

Ny vondrona sy fikambanana rehetra mihitsy no mitsipaka ny fikasana famoahana didy hitsivolana mba hamarotana indray ireo tahirana «bois de rose». Taorian’ny «Comité de pilotage» dia mampiaka-peo koa ny fikambanan’ny injeniera momba ny tontolo iainana na AIFM. «Tsy tokony hamidy na anaovana zavatra mihitsy ireo tahiry raha tsy vita ny asan’ny Comité de pilotage», hoy ny filohan’ny AIFM, Raonintsoa Paul.

Nanamafy izany i Razakamanarina Ndranto mpikambana avy amin’ny «Comité de pilotage», izay nilaza fa tokony andrasana aloha ny valin’ny fanadihadiana telo sosona hataon’ny Banky Iraisam-pirenena momba ny «bois de rose» vao afaka mandray fanapahan-kevitra momba ity harena miharipaka ity. Isan’ny kianin’ny AIFM amin’ity fikasana hamoaka didy hitsivolana vaovao ity koa ny fomba ratsy mahazatra ny mpitondra hatramin’ny taona 2000 izay mamoaka lalàna be dia be momba ny «bois de rose» izay mifanipaka : ny sasany mandrara ny fitrandrahana sy ny famarotana, ny hafa indray manome alalana ny famarotana ireo tahiry. Etsy andaniny dia tsikafoniny koa tsy fisian’ny mangaraharaha amin’ny fitantanana sy fampiasana ny vola azo tamin’ny fanondranana «bois de rose» tamin’ny 2009.

Mahatratra 1800 miliara Ariary ny vola tokony hiditra amin’ny kitapombolam-panjakana tamina «bois de rose» tanaty kaonterana 25 tamin’ity raharaha ity nefa rehefa nanontaniana momba io vola be io ny Tahirimbolam-panjakana dia milaza ho tsy manam-bola. Ny Ministeran’ny tontolo iainana kosa anefa manizingizina fa nandrotsaka io vola io tamin’ny kitapombolam-panjakana. Momba izay resa-bola izay ihany dia mahatsapa fanodinkodinan-dresaka ny AIFM satria nampidirina tanaty tahiry vao noforonina antsoina hoe : ADF io vola io nefa manana tahiry manokana momba ny fanajariana ny ala ny Ministera. Tsy fantatra hoe : aiza ilay vola ary iza koa no nampiasa azy ? hoy ny filohan’ny AIFM. Aminy dia atao fakana vola ny tontolo iananana rehefa poritra ny fanjakana fa tsy raharahaina kosa rehefa milamina ny tany.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT