Fikasana hanova ny anaran’ny lalana Ratsimilaho

Tsipahin’i Roland Ratsiraka marindrano


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Kolektifa an’ny malagasy tao Toamasina, Roland Ratsiraka marindrano, ny fanovana ny anaran’ny lalana Ratsimilaho, izay hangatahin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina ho lasa lalana Andry Nirina Rajoelina. Fanapahan-kevitra tsy ho ekena mihitsy ary ho lavin'i Roland Ratsiraka hatramin'ny farany izany, hoy ity solombavambahoaka ity. Izaho, hoy izy, dia manameloka ny zavatra tsy manaja ireo soatoavina sy lova koltoraly. Ampahatsiahivina fa ny mpanjaka Ratsimilaho no nanangana ny foko betsimisaraka, izay manomboka eo Sambava ka hatrany Mananjary. Ny fanajana azy dia fanehoana ny fankatoavana ireo soatoaviny, izay tokony mampianatra ireo fara madimby. Midika izany fa mihoatra ny tontolo ara-pitaovana na materialy ohatry ny hoe lalana fotsiny na fotodrafitr'asa ity resaka ity, hoy hatrany i Roland Ratsiraka, nanohitra ity heveriny fa fanitsakitsahana ny tantara sy kolontsaina betsimisaraka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT