Fikasana hanondrana sokatra 2700

Olona 19 nidoboka eny Tsiafahy sy Antanimora


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Olona 19 no indray nidoboka am-ponja tamin’ny raharaha trafikana sokatra,

ka ny 13 izay lehilahy avokoa, ary ny 6 vehivavy kosa any Antanimora, araka ny tatitra nataon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy na MEDD ny sabotsy lasa teo. Tohin’ny raharaha trafikana sokatra 800 isa tratra niaraka tamina teratany Tazanianina tao Mahajanga ny faramparan’ny taona 2024 teo no nanadihadiana no nahatrarana azy ireo, izay tafiditra tao anatin’ny tambajotra mpanao trafikan’io biby arovana eto amintsika io. Niitatra hatrany Mahajanga, Menabe, Androy, ary Antananarivo ny fanadihadiana, ka nahatrarana ireo olona 19 ireo. Niara-nisalahy ny Minisitera, ny polisim-pirenena, ny zandarimariam-pirenena. Raha atontaly dia sokatra manodidina ny 2700 isa no saika ho aondrana, ka izao voasoroka izao, hoy ny tatitra ofisialy. Nosokajiana ho anisan’ny raharaha anisan’ny goavana indrindra amin’ny fandravàna tambazotra mpanondrana sokatra ity srona ity. Nomarihina fa fa noho ny fiaraha-miasan’ny MEDD eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia tratra ihany koa ireo tena mpanafatra ny sokatra saika haondran’ilay Tanzanianina, izay teratany Sinoa 2 sy Tanzanianina iray. Na izany aza, mbola fanontaniana mipetraka hoe : tena ireo atidoha sy mpiketrika ny trafika ve ireto 19 tratra ireto sa irakiraka ihany ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT