FIKASANA HANOLANA

3 lahy voasambotra tao Mahajanga


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Lehilahy miisa 03, 44 sy 37 ary 21 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao

amin 'ny PPA Mahavoky atsimo /Mahajanga Fitaleavam - paritry ny Filaminam - bahoaka Boeny tao amin ' ny fari - piadidiany ny 27 Febroary teo rehefa nikasa hanolana zazavavy kely tsy ampy taona miisa 02 no sady nandrahona azy ireo ho faty tamin'ny alalan'ny fampiasana fitaovam-piadiana toy ny Antsy . Ny alin' io 27 Febroary io raha tsiahivina dia zazavavy kely miisa 02, 12 taona avy, handeha hamonjy fodiana nihazo ny lalana "village Touristique "ao Mahajanga no nifanena tamin’ny andian-dehilahy miisa telo. Tsikaritr ' ireto farany fa nandeha irery izy ireo ka nitsiry avy hatrany ny hevitra nikasa ny hanolana. Niezaka ny nanohitra sy nanda moa ireo niharan ' ny herisetra saingy norahonan'iretsy olon-dratsy ho vonoina tamin'ny antsy teny aminy. Polisy miasa ao amin ' ny PPA Mahavoky Atsimo, nanao fisafoana tsy lavitra teo no nantsoin ' ireo manodidina sy ny andrimasom-pokonolona nahare ny antsoantson ' ireo zazavavy kely.Tonga ara - potoana ireo mpitandro ny filaminana ka noraisim - potsiny ireo mpanao ratsy. Nasaina nanatona ny Sampan - draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona any an - toerana moa izy roavavy. Noentina eny amin ' ny Kaomisaria foibe kosa ireo lehilahy 03 nanohizana fanadihadiana izay hiakatra fitsarana anio Alakamisy 29 Febroary.
Pati
Legende: Ireto izy telolahy sy ilay antsy saika hohampiasainy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT