Actualités

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha


  • Sabotsy 18 Jolay 2020

Teratany Kaomorianina iray avy atsy amin’ny Nosy Anjouan antsoina hoe Isa Mohamed fantatra amin’ny anaram-bositra « Bouboucha »

 

 

 

 

no voasambotra teto Madagasikara, ary nalefa tamin’ny sidina manokana niverina any an-tanindrazany. Mpanao politika, ary efa kandida ho governora tao Anjouan izy. Hafatra novoizina hatry ny ela ny fitakiana ny fanalana an’i Anjouan eo ambany ziogan’ny mpitonda tarihin’ny Filohan’ny Vondron’ny Nosy Kaomoro Azali Assoumani ambarany ho mpanao didy jadona. Voarohirohy ho atidoha niketrika ny asa fampihorohoroana sy fanapoahana ny fiaramanidina nitondra ny Filoha Azali Assoumani ny 21 aprily raha avy tao Anjouan nihazo an’i Moheli i Bouboucha. Ny 22 mey teo no nilaza ny fisian’io teti-dratsy io ny Kaomisera ambonin’ny govenemanta ao anatin’ny “Cour de sureté de l’Etat », Mohamed Abdou. Henjehina noho izany, ary voalaza ho iray tamin’ireo nanamboatra ny baomba ho azo baikoana avy lavitra i Bouboucha. 19 no efa naiditra am-ponja vonjimaika noho afera, 3 eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Nilaza i Mohamed Abdou roa volana lasa izay fa nitsoaka ao Mayotte, Madagasikara, ary any Frantsa ireo atidoha. Namoaka horonan-tsary tamin’ny tranonkala ihany koa i Bouboucha fa ao amin’ny Nosy Mayotte. Tany Mahajanga no nahasamboran’ny zandary Malagasy azy, izay nalefa atsy Kaomoro avy hatrany. Ny somary mahagaga dia tao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana izany no nahatafidirany teto Madagasikara izay midika fa mibanaka ny sisin-tanintsika, na koa nisy firaisana tsikombakomba avo lenta nahafahany niditra teto.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT