Actualités

Fikarakarana sakafo Mpivady nisoloky 80 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny SUT Tsaralalana teny Mahamasina ny zoma teo ny olona roa, mpivady, noho ny resaka fisolokiana sy fivadiham-pitokisana.

Mpikarakara sakafo ho an’ny mpiasa amina orinasa no ataon’izy mivady. Manatona olona izy mitady fiaraha-miasa. Hakany vola ilay olona hanaovana ny asa dia zaraina ny tombony avy eo. Nambarany fa isaky ny faran’ny volana no raisina ny vola ka amin’izay vao hatao ny fizarana ny tombony. Tsy izany anefa ny zava-misy fa isan-kerinandro izy no mandray vola ao amin’ilay orinasa. Tsy nomeny ny anjarany ilay olona mampiasa vola miaraka aminy. Misy indray tranga hafa, hakany vola ilay olona dia tondroiny mazava ny orinasa lazainy fa hiasany hanaovana ilay sakafo. Tonga ny fotoana nolazainy fa hamerenana ny vola sy ny tombony dia tsy hita izy. Mandeha manatona ilay orinasa nolazainy ny tompom-bola, milaza ilay orinasa fa tsy misy izany fikarakarana sakafo izany. Olona maro no efa voasolokin’izy mivady ireto ka nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny Polisy toy ny tao amin’ny SUT Tsaralalana, 5e Mahamasina, 4e Isotry. Mitentina any amin’ny 80 tapitrisa Ariary ny volan’olona efa lasan’izy mivady ireto. Natolotra ny fitsarana ny sabotsy teo ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT