Actualités

Fikarakarana pasipaoro Naato aloha ilay fitakiana “lettre d'hébergement”


  • Zoma 14 Aprily 2023

Namoaka fepetra nambara fa ho fanampiana ireo olona tonga hanao Pasipaoro izay atao eny Anosy ny Polisim-pirenena.

Hisy ny fandaminana vaovao apetraky ny sampan-draharaha manomboka anio 14 aprily ka toy izao manaraka izao izany : Misokatra amin'ny 06 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy; raha sendra mahita olona na Polisy manao kolikoly dia afaka antsoina ny laharana 034 05 507 34; Efa misy ihany koa ireo Polisy avy ao amin'ny IGPN afaka hanatonana eny an- toerana raha sendra misy izany. Mba hanafainganana ny fandinihana sy ny fankatoavana ny antotan-taratasy ilaina amin'ny fahazoana Pasipaoro dia ahato aloha ny fitakiana ny "lettre d'hébergement", hoy ny fampitam-baovao. Hisy ihany koa ny fandaminana vaovao hapetraka hialana amin'ny filaharana lavareny sy ny fandanim-potoana koa iangaviana isika hanaraka izany, hoy ny toromarika. Niteraka adihevitra be moa ny resaka fanovana momba ny fikarakarana pasipaoro toy ilay “lettre d'hébergement” avy amin’ny hivantanana, fanamarinana ny anton-dia sy ny maro hafa, izay maro no nandika izany ho fanasarotana, ary làlana mankany amin’ny kolikoly. “Mba mila miteny kosa ny ny Minisitry ny Atitany raha marina tokoa fa tsy voaloantsika ny trosan'ireo kaompania vahiny mpanao ny Pasipaoro: Semlex sy Veridos, dia notapahan-dry zareo ny fandefasana ireo Pasipaoro mankaty Madagasikara satria mbola ampahany amin’ny vola no voaloa, dia io risoriso be io ny fahazoana pasipaoro amin’izao. Efa tongan'ny mpanera hatrany izao…”, hoy moa ny fanehoan-kevitry ny Profesora Jonah Ratsimbazafy mikasika ity olan’ny pasipaoro eto amintsika lasa resabe ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT