Actualités

Fikaonandoham-pirenena Tsy hitan'ny karatra intsony


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Mazava izany hatreto ny daty hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena 2023, raha raisina amin'ny fomba fijerin'ny HCC

nilaza fa tsy mifanohitra amin'ny lalampanorenana ny tetiandro natolotry ny CENI mampihena 10 andro ny fe-potoana iasan'ny Filoham-pirenena ankehitriny, raha ho kandida. Izy izay efa voafaritry ny lalampanorenana araka ny andininy faha-46 fa tsy mialohan'ny fifidianana. Any amin'ny governemanta sisa ny fanapahan-kevitra farany, fa efa mazava izany ny an'ny CENI sy ny HCC. Amin'ny lafiny iray, tsy te hitarazodrazoka hitazona baolina ela ireo rafitra, raha toa ka misy ihany ny fitakiana fandaminana sy fanadiovana ny kianja politika, fikitiana ny lalàm-pifidianana, famerana ny vola ampiasaina amin'ny propagandy,... Tsy te hitazona an-dRajoelina ela ihany koa ve alefalefa haingana ny fifidianana. Na ny antoko lehibe sasany ao anatin'ny fanoherana aza mitaky ihany koa ny tetiandro sy didim-panjakana manamafy ny daty sy ny hisian'ny fifidianana,... Naman'ny mampamangy ve izany ny resaka fikaonandoham-pirenena sy fandaminana ny kianja politika ? Hanao ahoana ny ho fijerin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny famatsiam-bola ara-pifidianana? Ny sehatra iraisam-pirenena izay efa naneho fa mila tanterahina ireo fanintsiana niainga tamin'ny fifidianana 2018: lalana, vola ampiasaina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT