Actualités

Fikaonandoham-pirenena Ho fantatra anio hariva ny fehin-kevitra


  • Talata 22 Jolay 2014

Andrasana anio hariva ny fehin-kevitr’ilay fikaonandoham-pirenena tanterahana eny amin’ny CCI Ivato hatry ny omaly. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy azy ity ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nanindry mafy ny maha zava-dehibe ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fametrahana fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fanapariaham-pahefana

Tsy maintsy apetraka mazava aloha, hoy izy ny andinin-dalàna hifehy sy handrindra ny fitsinjaram-pahefana mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Izay no lalana tokana hahatongavana any amin’ny fampihavanam-pirenena sy ny fampandrosoana, hoy hatrany ny filoha. Anisan’ny lohahevitra nodinihana tany amin’ny asam-baomiera mandritra ity fikaonandoham-pirenena ity ny « fototra iorenan’ny fanapariaham-pahefana », « ireo fepetra takiana amin’ny fananganana vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanasokajiana azy », « ny fahefana sy ny anjara andraikitry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ». Noresahana sy niadian-kevitra ihany koa ny amin’ny hoenti-manana, ara-olona ara-bola ary ara-pitaovana. Noresahan’ireo mpizaika nandritra ny asam-baomiera koa ny resaka fifidianana. Delegasiona mafonja ny avy amin’ny fitondram-panjakana no tonga teny Ivato, tazana teny an-toerana ihany koa ireo mpitondra teo aloha (fitondrana tetezamita, fitondrana Ravalomanana, fitondrana Ratsiraka). Nanintona manokana ny mason’ny mpanao gazety ny fahitana ireo praiminisitra nifandimby teto amintsika, tahaka an’i Norbert lala Ratsirahonana, ny jeneraly Charles Rabemananjara, Jean Omer Beriziky.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT